MINO AHO

AMPIZIFA

MINO AHO


Ray ô! Fenoy ’lay Hery avy Aminao aho
Hampijoroy handresy toa Anao
Raha misy manjoa, tohano tsy ho lavo
Ampianaro hahay hanaiky izay atolotrao


Fa Ianao no Làlam-pamonjena
Izay azo antoka hamonjy ny Fanahy
Ka dia mino aho Tompo ô! Fa tsy mandeha irery
Raha eo Ianao, manome ahy ny Herinao


Ray ô! Omeo ampinga fahefana aho
Mba handreseko ny akason’ny satana
Indro miantoraka Aminao fa tsy maharo tena
Raha eo Ianao miaro ahy, iza no haharombaka ahy


Fa Ianao, Ianao no Ilay Mahery
Mahay manavotra ny aiko tsy ho very
Ka dia mino aho Tompo ô! Eny matoky koa fa:
Izay rehetra avy Aminao, miara-miasa hahasoa


Fa Ianao, Ianao no Ilay Mahery
Mahay manavotra ny aiko tsy ho very
Ka dia mino aho Tompo ô! Eny matoky koa fa:
Izay rehetra avy Aminao, miara-miasa hahasoa anay


AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)


·