Minia aho hanadino
Gaston Andrianony
Minia aho hanadino
Sitrakao ny nandao
Veloma hoy aho sy masina
Fa izaho hanadino
Hanadino any ao aoriana
Ny tsikitsiky sy korana
Eo anilanao ry tiana
No heveriko hasambarana
Kanjo indrisy fahoriana
Ninia aho hanadino
Irony dinako efa lasa
Ninia aho hanadino
Irony ditrako efa lasa
Ninia aho hanadino
Irony anaranao soa
Ninia aho hanadino
Irony dinako efa lasa
Ninia aho hanadino
Irony ditrako efa lasa
Ninia aho hanadino
Irony anaranao soa
Hanadino anao tokoa
Hoheveriko ho ela hoy aho
Hiara-dia ho doria
Izay no anjara sy lahatra
No nandidy ny fitia
Ho fanafodin- sentosento
Sy ny ratra ato am-poko
Noho ny rehetra sy taloha