MILA ANAO AHO

Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha

MILA ANAO AHO


MILA ANAO AHO


Mila anao aho Ray Malalako
Mba tarihonao ny lalako
Ny amiko hapetrako Aminao
‘Ty ny tanako Tompo o ! tantanonao !


Tiako ny miaraka Aminao !
Ka ny fiainako hanjakao
Raha saraka Anao aho very
Aza avela irery


Mila Anao aho f’aza ilaozana !
Mitaraina aho k’aza lavina !
Tompo o ! Ianao no heriko !
Hanasitrana ny feriko !


Izaho mila Anao fahazavako
Hitsilo ny lalan-kombako
Ka ny lanitra no tanjoko 
Tompo o ! Tano ny tanako
A/C : Njoany


·