Mila Anao

Rbrl

Mila Anao


Andriamanitra o, Rainay be Fitiavana
Fantatrao ny manjo anay ety
Tsisy miafina Aminao, tsy misy takona
Miantso Anak zahay, miangavy re avia


Refrain:
Fa ny olana dia tsy hainay vahana
Kely hery zahay ka mora resy
Mila Anao hitondra hazavana
Mila Anao Tompo o raha mba mety
Miangavy re ry Ray
Mba vonjeo ity zanakao
Aza avela hangahiahy toy izao


Andriamanitra o Tomponay Malala
Oh, henoy ny vavakay rehetra
Omeo toky sy fanantenana
Ndrao ho kivy, andrao hanjoretra


Bridge:
Manantena ny valim-bavakao
Dia ny soa sy izay tsara lavitra
Nefa kosa ekeko ny sitrakao
Ho raisiko tsy asiko ady varotra


Andriamanitra o Rainay any an-danitra
Mila Anao zahay hanampy sy hampahery
Fa ny adinay miha mafy sy miha sarotra
Mila Anao zahay hitsinjo sy hijery


A/C: Rizia Rbrl


·