Mihodina

Samoela

Mihodina


Mbola mihodina any ikala hatramin’izao an
Mbola mitady patrô manambola hilalao
Mbola mitady, mitsikaraka, izay hamelomana anaka
Saingy ny entana efa tsy avotra, rodana, raraka.


Tsy manaiky resy, manao fetsifetsy mandrapaka izay tratrany
Mitety bar sy fety, Itaosy Ambefitety
Fa izay no mba fantany


Ny trosa fripy, ny trosana beks etsy manaraka
Ny zaza tomany, miandry an’i mama
tsy mety mahasaraka


Kanefany hatramin’izao an
anaty “game”, mbola tamana
Madama kely tia milalao an
Kaofina mihitsy ny hatanorana


Kanefany hatramin’izao an
anaty “game”, mbola tamana
Madama kely tia milalao an
Kaofina mihitsy ny hatanorana


Kaondrakdaondrana ary ve ’ty kalakely ity
Sa kosa azon’ody?
Ataony daholo na toaka na môly, mihinam-panafody
Efa hatry ny omaly ‘ty no hitako teto, « Permanence »
Tsy mifemaka mihitsy, mizara “virus” i Madama kely anaka


Mitady razoky mba hanome toky, hananganana ny ho avy
Ratsy tarehy manam-bola, na sima, na sola fa maty mosary
Mivavaka mafy manao Haleloia, mba ho sendra ny goavy
Ho sendra ny dondrona, hahita ny pondro, ho tojo matavy


Nefa hatramin’izao an
Anaty “game”, mbola tamana
Madama kely tia milalao an
Kaofina mihitsy ny hatanorana
Nefa hatramin’izao an
Anaty “game”, mbola tamana
Madama kely tia milalao an
Kaofina mihitsy ny hatanorana


“Professonnelle” be madama an
Kikina mihitsy izay mihanahana
Madama kely tia milalao an
Kaofina mihitsy ny hatanorana


“Professonnelle” be madama an
Ilay zavatra anefa mivoaka nana


·