Mihira fihiram-baovao
SLK Ambohidroa
Mihira fihiram-baovao
Mihira fihiram-baovao
Hoan’I Jehovah
Ry firenen-drehetra ô
Mankalaza ny anarany
Amin’ny feo fifaliana
Tsy mba ho foana akory
Ny fikelezanareo aina
Hoy ny Tompo
Fa ataovy amin’ny fo
Izany rehetra izany
Dia ho hitanao
Izao no fahazavana
Sy famonjena eto an-tany
Hoy Jehovah
Izay manatona azy
Dia harovany
Ka tsy ho very
Aza mba resy tondro maso
Na oviana na oviana
Ry namako ô
Ento am-bavaka,
eny mandrakariva
izay rehetra atao