Mihirà (Hira faneva faha 45 taona)

Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)

Mihirà (Hira faneva faha 45 taona)


1/
Asandrato re ny feo, hankalaza ny Tsitoha
Ny voninahitra omeo, ka atolory Azy koa


Refrain :
O ry ziona, mihirà
Mitoria, mitoria hatrany hatrany
Mandrosoa ka miderà
Mba ho re am-paran-tany


2/
Ny fitantananao soa, irony lalana naleha
Dia nandrehitra ao am-po, ilay afom-piderana re


3/
Ny hasoavanao ry Ray, no notafiana hatrizao
Ka mbola hitokianay amin’ny andro rehetra omenao


·