Mifona Tompo
AFV Anosibe
Mifona Tompo
1- (solo) Mila Anao zahay fa very Tompo ô
Ity nosinay vonjeo fa very dia
Ireo ota izay nangeja anay
Afaho re, afaho ity taninay
Tsisy miafina eo amiNao ry Ray
Ireo fahotana izay mamatotra anay
(duo) Mila anao zahay ….
2- Mifona Tompo ô
Mba mangataka ny famindrampoNao
ô mitalaho re, ô vonjeo zahay
Vonjeo ity nosinay mijaly
Tompô ô mamelà re
Tompo ô mifona re zahay
3- Ry malagasy ô andeha hifankatia
Hifona ka hiverina amin’I Kristy
Fa tsara loatra anie ny fiainana anilan’ny Ray
Feno fiadanana mandrakizay x3