MIFONA AMINAO
Sekoly Alahady Mpihira Ambohijanaka Fivoarana
MIFONA AMINAO
Ref 1:
Mifona aminao, mamela ny helokay
Diovy izahay amin’ny ra-nao soa
Ka ho mpanompo mahasoa tokoa.
- Nanota taminao, teo anatrehanao
Manaiky aho fa diso, tsy mendrika akory
Ny anonona ny anaranao
Ref 1:
2)Impiry aho nanarinao
Fa tsy norarahiko izany
Tsy fantako anefa fa mety hanimba ahy
‘ty fahotako ity ka nataoko ihany.
Ref 1 :
Mivalo aho izao, be ‘reo ratsy vitako
Mangatam-pamelana aminao Jesoa
Diovy ny foko ho lapanao.
Ref 1: *1
Ref 2: *1
Mifona aminao
Mamela ny helokay
Matoky izahay
Voavelanao ny fifonanay aterinay
Matoky izahay
Voavelanao ny fifonanay aterinay
A/C: Tina RAZAFINJATO