MIFONA AHO FA TSY MENDRIKA
Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
MIFONA AHO FA TSY MENDRIKA
Tsy mendrika ahy Tompo ô! ny atao hoe Zanakao
Satria aho mpanota
Tsy nankatoa Anao
Ka mifona aho Tompo ô!Mivalo aminao
Indro raiso re ity mpanomponao
Indro havaoziko anio
Ny fiainako Tompo ô!
Ka mba amindrao fo raha toa ka sitrakao
Ankehitriny aho Tompo ô! Mifona aminao
Indro raiso re
Ny foko anjakao
Nanenenako Tompo ô! Ireo zay vitako
Tsy hamerina intsony aho , reo ota izay natao
Ankehitriny aho Tompo ô! Mandohalika aminao
Indro ny foko diovy sy sasao .