MIFONA AHO
Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
MIFONA AHO
MIFONA AHO
Mifona aho ry Raiko tia
Fa nanota teo anatrehanao !
Zanaka adala aho tsy mendrika ny hoe zanakao
Mifona aho, mivalo Aminao
Inty ny zandrinao Jesoa !
Mifona mitalaho Aminao
Nandao Ilay lapa fiadanam-pitiavana
Raiso re toy ny Mpanomponao !
Mifona aho ry Raiko o !
Havaozy hifikitra Aminao !
Sakambino aho hiara-dàlana Aminao
Arovy aho mba tsy hisaraka Aminao !
Hitalahonay Aminao
F’Ianao Jesoa dia tsy mahafoy anay
F’izahay no mafy loha, miodina foana Aminao
Hazony re ! tsy handao intsony Anao !
A/C : RAKOTONDRAMANANA Noelson
©Kanton’ny Fanantenana