Mifona

Rbrl

Mifona


Tany amin’izao tontolo izao
No nitady fahasambarana
Tany amin’ny ratsy hatrany no nandehanana
Nanadino Anao, jamba ny ota natao
Fa maniry kosa izao ny ho tantananao


Mifona e, mifona aho Jesosy o
Ampio e, fa sarotra ny lalana
Tsy hiankina amin-javatra hafa intsony ny foko
Fa Ianao irery ihany no tiako


Manantena aho anio ’lay sandrim-pitiavana
Hampijoro, hampitraka, hiazona, hitantana
Tsy hanadino Ianao ary tsy handao
Fa omenao toky aho fa ho tantananao


Misaotra e, misaotra Jesosy o
Mahatoky e, fa Ianao hitari-dalana
Tsy hiankina amin-javatra hafa intsony ny foko
Fa Ianao irery ihany no tiako


F’ity no hafatra
Tsy maintsy hiandry loza ve vao hibebaka?
Sao dia tara loatra ka andao re ry namako
Dieny izao hanomana ny dia


Koa androany henoy ny tononkira
Miantso hoe aza variana
Aok’izay ny fahotana
Ndao resena sy hialana
Aoka izay fa aza mihanahana
Tsy tianao ve ny ho any Kanana?


A/C: Fitiavana Rbrl


·