Mifona
AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)
Mifona
1-Tsapako Jesosy ô fa be ny otako
‘zay vitako mandifotra ny tenako
Matsiaro very anie izaho tsy mahita izay hatao
Tafalatsaka anaty aizina
Ref:
Mifona aho mivalo aminao ka mitaraina
Hamindrao fo (Tompo ô) ny heloko
Be siasia tsy mahita izay hatao
Vonjeo RAY ô, fa mitady Anao
2-Diovy aho Jesosy ô ho afak’eloka
Sy mba hadio ho tonga olom-baovao
Fa mijaly sy ketraka ny Fanahiko
Mila Anao Ray ô ity fiainako
Ref:
Mifona aho mivalo aminao ka mitaraina
Hamindrao fo (Tompo ô) ny heloko
Be siasia tsy mahita izay hatao
Vonjeo RAY ô, fa mitady Anao