MIFOHAZA MIJOROA

Groupe AGAPE Mahajanga

MIFOHAZA MIJOROA


1)* Raha tonga anio ny Tomponao
Vonona ve ianao?
Sao mbola matory, sao variana loatra e!
Mifohaza mijoroa
*Aiza ny talentanao, nampiasainao ve?
Sao adinonao fa ho avy ny Tompo
Mifohaza mijoroa!


Ref:
Sao ianao variana ka tratra aoriana
Mifohaza mijoroa!
Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa e
Mifohaza mijoroa!



  1. *Sao ity no toriteny farany ho anao!
    Koa aza variana e! Mangataka andro
    Mifohaza mijoroa!
    *Araraoty ny fotoana izay omeny anao
    Sao lany foana e, amin’ny rendrarendra
    Mifohaza mijoroa!


A/C: Bernard Richard


·