Mifohaza
AMPIFITIA
Mifohaza
Mba henonao ve ’lay feo manao hoe
‘Lay tenin’i Jesoa milaza hoe:
Mifohaza ianao mbola matory
Tena andro tokony hifoazanao izao
Fiv:
Fa Izy anie tia anao
Eny Izy e, mitady foana anao
Fa tiany e, ny hamonjy anao
Ka io Izy io mandona am-ponao
Ka io Izy mandona mora
Ianao mihitsy anie no anton-diany e
Handio ny otanao izao niaviany izao
Omeo fafany anio io fahotanao io
Fa io no mampatory anao tahaka izao
Fiv:
Fa Izy anie tia anao
Eny Izy e, mitady foana anao
Fa tiany e, ny hamonjy anao
Ka io Izy io mandona am-ponao
Ka io Izy mandona mora
Tonga eto Izy mibitsika fitia
Miteny mora hoe mifohaza ianao
Mitsangana amin’ny maty finoanao ity
Hialao ny ratsy ka raiso Jesosy
Fiv:
Fa Izy anie tia anao
Eny Izy e, mitady foana anao
Fa tiany e, ny hamonjy anao
Ka io Izy io mandona am-ponao
Ka io Izy mandona mora