MIFANKATIAVA ISIKA - Mari-piadanana
APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
MIFANKATIAVA ISIKA - “Mari-piadanana”
- Mifankatiava isika…
Fitiavana loharano tsy ritra
Fiadanana hatrany, manomboka eto an-tany
Ho santa-piadanana an-danitra any
Atolory ny tananao mba hifandray
Hombam-piadanana, ho finoana iray
Hiara-dia isika, tsy hifanary
Hifankatia toy ny rano sy vary
- Ho sambatra isika raha mifankatia
Fiadanan’ny Tompo mampiara-dia
Sitraky ny Ray ilay fitia fiombonana
Isika mifankatia no fiangonana