Mifankatiava

Oriela

Mifankatiava




  1. Isika izao samy zanany satria samy nateraka indray
    Samy mitondra ny anarany ka irahiny koa hampiray
    Fa ny teny nataony tsy miova tsy levona mandrakizay
    Hoe mifankatiava ry lahy, iray saina sy fo sy fanahy




  2. Ny finoana re no ampinga enti-miady ami-fakam-panahy
    Mivonona ary misikina aza ho isan’ny fatram-panda
    Lanitra no mivoha hoantsika maniry mba hoany amin’ny Ray
    Dieny izao mbola tsy mangatsiaka ’ndao hiaraka anangana




  3. Aza miandry ny ampitso koa ndrao ny loza no hanakana
    Mijoroa ‘zao ka mandrosoa jesoa Tompo no hitantana
    Maro ny asa tsy vita mbola hikatrohana hiarahana
    Mahereza ary dia mazotoa ka hataovy am-pitiavana.




Ref:
Mifankatiava sy miraisa hina tokoa re rahavako o!
Fa ny asa ho vita rehefa hifanampina faingana malalako o!
Aoka re tsy ho varimbariana hitady kidoro hatoriana e!
Mandalo izao fiainana izao k’aza tratra aoriana e!


Ie! Mifankatiava sy miraisa hina ry lahy
Io! Ny asa ho vita rehefa hifanampiana leroa e!


·