MIFAMENO ISIKA

Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely

MIFAMENO ISIKA


1- Mifameno isika,
Tsy misy lavorary
Dia izay tsy mahay dinika,
Mahay fatram-bary..
Aoka tsy hifanebaka
Fa samia mba miezaka
O! O! O! O! O! O!…


2- Ianao izao manalazy,
Tsy misy hoe voasazy
Izahay koo mba mampandihy
Sady tena Mankafy
Fiadanana katsahina
Izay olana ho Tapahina..aa…
O! O! O! O! O! O!……


3- Hampiasa taratasy,
Hanandratra ny Malagasy .
Tsy hanao lembenana
Ilay fahandriam-pahalemana.
Hanova ny fisainana,
Hanatsara ny fiainana a, a…
O! O! O! O! O! O!….


A/C : - Alban Randriarimalala



·