MIFALIA RY TANORA

Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro

MIFALIA RY TANORA


Ry tanora namako ô,
Mifalia fa andronao izao,
Mifalia



  1. Mifalia, ‘falia
    Mifalia ianao ry tanora
    Mifalia fa andronao izao
    Ataovy izay tokony hatao
    Asehoy fa tsara
    Fa tsara tokoa ny hatanoràna
    Eny mibaliaka ny hazavana
    Hanananao koa ny hafanana


Kanefa saino diniho tsara
‘zay vita rehetra anie tantara
Ka sao dia hanenina any am-para
Ka aleo ihany manao ny tsara
(Fa) Ny toetra sy ireo zava-bita
Tsy maintsy mbola hitsarana atsika



  1. Ka dieny izao
    Diniho izay tokony atao
    Tandremo, tandremo ny hadalàna
    ialao ialao, ny filibàna
    Ny tsara indindra
    Ny miara-dia miara-mamindra
    Ka manolo-tena ho an’i Tompo
    Ary tena vonona hanompo


Satria saino diniho tsara
‘zay vita rehetra anie tantara
Ka sao dia hanenina any am-para
Ka aleo ihany manao ny tsara
(Fa) Ny toetra sy ireo zava-bita
Tsy maintsy mbola hitsarana atsika


RAP:
Ry zatovo mifalia, nefa sainosaino tsara
Izay vitanao tety dia voarakitra tantara
Na izaho na ianao eny isika rehetra izao
Dia handalo fitsaràna ka hatsaharo ny hadalàna
Na mifaly aza moa dia manaova koa ny soa
Filibàna sy ny ditra, tsy misy dikany amintsika


Ny toetra sy ireo zava-bita
Tsy maintsy mbola hitsarana atsika


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·