Mifalia mandrakariva

Antokom-pihira Vetson'i Siona

Mifalia mandrakariva


Ref: Mifalia mandrakariva e!
Ao amin’ny Tompo mifalia a!


I. Be fitiavana Ianao ry Ray
Maniraka anay hitondra hafaliana
Amin’ny mpiara-belona mino Anao


II. Be fitiavana Ianao ry Ray
Maniraka anay hankahery ny fo
Sy finoan’ireo vahoaka amin’ny andro sarotra


III. Be fitiavana Ianao ry Ray
Maniraka anay hitory hafaliana
Amin’ny andro manahirana


IV. Vonona aho ry Ray
Hampifaly an-tsitrapo
Ny farahidiny indrindra


Sy hiaro ireo mahantra
Tsy mba manana mpiahy ka ory


Nomenao ahy ny Fanahy
Ka sady faly no velom-panantenana
Hampiely teny marina
Hanome voninahitra Anao


© Vetson’i Siona


·