MIERITRERETA

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

MIERITRERETA


Mieritrereta, mieritrereta ry manampanahy (Mieritrereta)
F’indro naterak’indray ho Anao lay Mpamonji Tsitoha ô!
Aza dia mihevitra fa mbola maro ny andronao ety (Mieritrereta)
Sao tratra aoriana fa diso anjara ka hanenenanao


Fa fiadanana tsy misy fetra nomena ho Anao
Zao ve no mba hohavalinao zany mba mieritrereta ô!


Fa fitiavana feno dia feno no atolotro ho anao (Meiritrereta)
Nefa ny fomba fiainana zany toa mampalahelo ô!
Ny fialonana feno korontana indro manjaka (Mieritrereta)
Be rehareha zato ianao nefa indrisy fa vovoka ihany


Mieritrereta mieritrereta ry manam-panahy (Mieritrereta)
Aza hadinoina fa mbola hoadinina ianao any aoriana e!
Zato fihetsika mampahonena asehonao e! (Mieritrereta)
Be rehareha zato ianao nefa indrisy fa vovoka ihany


·