Midona

Ny Nanahary

Midona


Midona e, midona ny oran-ko avy
Manako, manako ao am-po mahatsiahy
Nahoana no ambiaty ladinin’antsoro
Sy rindrina rava no sisa mijoro
Adino va re zany tany nihaviana ?


Midona e, midona ny oran-ko avy
Manako, manako ao am-po mahatsiahy
Nahoana no ambiaty ladinin’antsoro
Sy rindrina rava no sisa mijoro
Adino va re zany tany nihaviana ?


Ny rano sotroina va re no nangidy
No nilaoza-nifindra
Ny rivotra iainana ve no tsy tanty
Ka naleo any an-kafa ?


Raha toa re ka vazo mitovy nahoana
No avela hirodana sy zary moana
Ka vorona sisa manorin’akany.


Midona e, midona ny oran-ko avy
Manako, manako ao am-po mahatsiahy
Nirodana ve zany fanantenana
Ka zary malama ny lalan-kombana e
Tomany, tomany ny fo mahatsiahy mmm
Tomany, tomany ny fo mahatsiahy mmm
Tomany, tomany ny fo mahatsiahy.


Ny Nanahary Bemangovitra 1982


·