MIDERAH

Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro

MIDERAH


MIDERAH! ho an’ilay Tompo Mpanjaka
Mihira! venteso sy ataovy mafy
Mihobia! he asandrato ny antema
Mifalia! fa teraka ny Tomponao


Ry Jesoa ho Anao no hihiranay toy izao
Atolotray ny dera fa mendrika Anao
Ataonay avo indrindra, ny voninahitrao
Fa ny fahasoavanao irinay ho anay
Miampy ny fitiavanao ry Ray!


MIDERAH! ho an’ilay Tompo Mpanjaka
Mihira! venteso sy ataovy mafy
Mihobia! he asandrato ny antema
Mifalia! fa teraka ny Tomponao


Ny olona rehetra, midera avokoa
Midera tsisy fetra, mamoaka ny ao am-po
Ataonay avo indrindra ny voninahitrao
Fa ny fiadananao, irinay ho anay
Miampy ny famindramponao ‘Ray!


MIDERAH! ho an’ilay Tompo Mpanjaka
Mihira! venteso sy ataovy mafy
Mihobia! he asandrato ny antema
Mifalia! fa teraka ny Tomponao


A/C: A. HONORE
By Sandy RANDRIANAIVO


·