MIAVAKA
Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
MIAVAKA
1)Andro miavaka indrindra maneran-tany
Izay voalazan’ireo Mpaminany
Andro manan-danja tsy mba manam-paharoa
Ilay andro izay nahaterahan’i Jesoa
REF:
O avia avia,
mifalia sy mihobia
F’efa tonga ny Mpanavotra
Tapaka hatreo ny fatotra
2)Ho anao izay tonga manatrika eto anio
Tsy kisendrasendra akory izao fa tadidio
Andro iray handraisanao ny famonjena
Raha toa ianao manaiky hanao fanekena
REF:
O avia avia,
mifalia sy mihobia
‘Zao no androm-pamonjena
Andro tena volamena
O avia avia,
mifalia sy mihobia
F’efa tonga ny Mpanavotra
Tapaka hatreo ny fatotra
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO