Miasà, Fanahy o !

Riampeon' Ny Maritiora

Miasà, Fanahy o !


Hatramin’izay ka hatramin’izao
dia nanoro ahy Ianao ry Tompo tsy mandao
Ny làla-marina rehetra ahazoako fiainana
Tsy manampetra ary indro ihany koa
omenao mpananatra aho


Ref : Fanahy Masina ô!
Mirotsaha ahatonga ahy ho feno Anao
Fanahy Masina ô!
Miasà, miasà Ianao
Fa izaho manaiky Anao
ka hijoro ho vavolombelona
Fa tsara ny Asanao


Fitiavanao no hanomezanao
Mpananatra ho ahy hanohy ny Asanao
Ka izany no asahiako izao manohy ny Asanao
Satria nandray ny Fanahinao hanoro ny asa ho atao


Ref (x4) : Fanahy Masina ô!
Mirotsaha ahatonga ahy ho feno Anao
Fanahy Masina ô!
Miasà, miasà Ianao
Fa izaho manaiky Anao
ka hijoro ho vavolombelona
Fa tsara ny Asanao


·