Miaramila an'ady
Ny Alon-drano
Miaramila an’ady
Ny ady efa vita, nangina avokoa
Ny basy sy tafondro nanakoako tao,
Ireo miaramila dia efa samy lasa koa,
Namonjy ny akany nilaozany taloha.
Izaho irery kosa mbola tafajanona,
Azo babo manko ka nigadra elabe.
Ireo havako efa nanadino ahy,
Noheveriny ho maty aho ka nisaonany.
Nanoratra ihany aho ho any amin’izy ireo
Fa izy tsy namaly ny taratasiko
Izaho irery sisa sy ny eritreritro
No tokana manjeny an-tanin’olona
Vesaran’alahelo lasa vetso lava izao
Manembona isan’ora ny any aminay
Mahatsiaro ireo sakaiza sy ny hehy fahagola
Maniry ny hiverina any an-tanindrazako
Ry kapiteny o, ho aiza moa ny sambonao ?
Raha misy toerana mba ento aho re!
Tsy mampaninona ahy ny hiasa aminao,
Izaho tsy manam-bola kanefa te-handeha.
Na efa nanadino aza ireo sakaizako,
Efa lasan’olon-kafa izay ilay malalako,
Dia ento ihany aho hody any aminay,
Hahita maso indray ilay hany tanindrazako.