Miaraka amin'i Jesosy
Antoko Mpihira MORIA
Miaraka amin’i Jesosy
1- Ry Jeso no Andry fiarovako
Vatolampy mafy fialofako
Ny fiainako rehetra sy izay tarigetrako
Apetrako aminy
Miaraka amin’i Jesosy, falifaly ao am-po
Miaraka amin’i Jesosy, tena sambatra tokoa
2- Ny fianarana sy ny asa izay atao
Na ho mora na ho mafy noho izao
Tanteraho am-bavaka sy fifaliana
Fa tena ho tsapanao
Miaraka amin’i Jesosy, moramora izay atao
Miaraka amin’i Jesosy, Toky Hery ho anao
3- Lalan-davitra no mbola alehanao
Be ny fitsapana ho diavinao
Fa Jesosy irery ihany
Ampahery sy hanavotra anao
Miaraka amin’i Jesosy, fiovana lehibe
Miaraka amin’i Jesosy, mba andramonao anie