Miara-droa

Fangia Kalo Gasy

Miara-droa


Midobodoboka tsy miato ny fo
Tsy laitra f’injao
Topatopan’onjan-kery tokoa
no mipololotra ao.


Midorehitra manitra ô!
Lay takalo fitia!
Ny afony manaka-danitra e!
Tomaratra ery!


Hay zareo ny fitiavana rehefa tsy mandeha ila,
tsy voarefim-pamarana ny hasambarana avy ao.
Vanja sy afo tafaraka e! Redareda fitia e!
Mahatamana hafanana roy ô! Mahatamana!


Vanja sy afo tafaraka ô!
Lolalola fitia ho’aho
Mitahiry hafanana nama a!
Ka tamana aho.


Tonony sy feo : Ny R. Fidimanantsoa


·