MIANTSO ANAO

None

MIANTSO ANAO


Efa mba nosaininao ve ny fialanao ety
sa variana mihary ny fiainana eto an-tany
Rendrarendra mahafaly ny fo,
Tsy misaina ny am-pitso
Voky ny nofonao fa very fanahy


Raha mba fantatrao anio ny handaozanao ny tany
Dia mba inona re no ataonao amin’izany
Fibebahana sesilany,
Fiankohofana tsy misy hoatr’izany
Tahotra sy hovitra mahavaky ny fo


FIV : Indro ny famonjena (anao izao),Indro fa tonga
Ilay Andriamanitra tompon’ny HERY
Sy FAHEFANA, MIANTSO ANAO fa
Jesosy ihany ange no vahaolana miandry anao
K’omany dieny izao , ‘zay hiafaranao


Lavitra sy migodana ny lalana eto
Zay jerena toa tsara avokoa fa fitaka hatreto
Faharatsiana mitombo hatrany
Nofinofy sy lainga avokoa
Misy fetrany ihany ny antsika ety


FIV : Indro ny famonjena (anao izao),Indro fa tonga
Ilay Andriamanitra tompon’ny HERY
Sy FAHEFANA, MIANTSO ANAO fa
Jesosy ihany ange no vahaolana miandry anao
K’omany dieny izao , ‘zay hiafaranao
Berova
Aogositra 2019


·