Miantso Anao
Antoko Mpihira MORIA
Miantso Anao
Miantso anao ny Tompo anio
Raiso izy valio
Antson’ny finoana
Antsom-panompoana
Renao ve ny feony
Ho Anao zanany
Ndeha re mba hikasa
Ho isan’ireo mpiasa
Derao ny Anarany
Ankalazao ny asany
Famonjena nasehony
Fahendrena ananany
Tompo be fitiavana
1- Mangeja ny asan-devoly fa tandremo anie izany e
Mitady izy harapany andro aman’alina ka miomana e
Dia miambena Ianao
Vakio Baibolinao e
Dia mibebaha
Fa handresy ianao e
Ref: Ndao hanaraka azy (hidera Anao aho…hatrany hatrany)
Sao tafihin’ny ratsy (hihoby Anao aho…hatrany hatrany)
Meteza mba hovonjeny (hanompo Anao aho…hatrany hatrany)
Fandresena ao Aminy Haleloia (hitory Anao aho…hatrany hatrany) Amen
2- Ny fiainana an-tany miserana ihany ka mora lany e
An-danitra any dia fiaina-mamy mandrakizay e
Koa mihevera ianao oh
Tapaho ny hevitrao e
Dia manaraha
Ilay mahery ianao e