Miandry Jesosy

Tanora Masina Itaosy

Miandry Jesosy


Hatrizay nandany andro nivezivezy aho
Nankafy izao tontolo izao
Toa nanjary hadalana isan’andro no natao
Tsy nahatsiaro reraka aho
Nilomano tanaty fahalotoana tsotr’izao


Kanjo potraka ianao raha mihodikodina
Nanenjika izao tontolo izao
Dia nitady ianteherana sy iantsapazana
Fa nahatsiaro vizana
Lalana tokana no izoranao, Jesosy izao


Fiv : Atolory Azy anio ny fonao
Fa Izy miandry ny fiverenanao
Tsy hanisa ny ota izay efa vitanao
Raha mibebaka Ianao
Jesosy miandry ny fiverenanao


Naneneko ny andron’ny fahajambana
Nanaraka izao tontolo izao
Hay koa misy fiainana, fiainana any an-danitra
Izay nomaniny ho ahy
O ry namako avelao ny ditranao izao anio izao


Fiv : Atolory Azy anio ny fonao …


Atolory azy


Atolory Azy anio ny fonao
Fa (Izy miandry anao) Izy miandry ny fiverenanao
(Tsy hanisa ny otanao) Tsy hanisa ny ota izay efa vitanao
Raha mibebaka Ianao
Jesosy miandry ny fiverenanao
(Ny fiverenanao) ny fiverenanao
Izy miandry anao o o o
Ny fiverenanao


·