MIANDRY ANAO NY TOMPOTSIKA

AMPIZIFA

MIANDRY ANAO NY TOMPOTSIKA

Miandry anao ny Tompotsika, miandry fibebahana
Fa tsy tiany hisy ho very na dia iray isika
Hialao ny hakamoana, soloy fahazotoana
Ireo fahazaran-dratsy, hajanony hatreo, f’efa hoavy anie ny Tompo

Miandry ahy, (Miandry anao), ny Tomponao (Tena tia)
Aza ela sao tratra aoriana, mifohaza fa aza sondriana
Itafio Jesoa Kristy, aza miahy ny nofo ianareo
F’Izy Tompo miahy anareo

Tomoera Amiko ianareo hoy ny Tompo
F’izay miray Aminy ho feno voka-tsoa e!
Ireo tsy namboleny, hongotany ho very
Izay rehetra tsy mamoa dia horantsanany ka hatsipiny anaty afo e!

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)

·