Miandry anao ny Tompo

CVSN(Chorale Vaovao Sabotsy Namehana)

Miandry anao ny Tompo



  1. Moa mba fantatrao fa miandry anao ny Tomponao,
    andro aman’alina.
    Tsy mba sasatry ny mitomany Izy,
    fa tsy mahafoy ny zanany.


Ianao mihevitra fa adinony : tsy adinony !
Ny masony mijery anao mandeha.
Ny teniny manafatra hoe :



  1. Hatrizay ka hatramin’izay
    nandaozanao tsy miova ny Fitiavany.
    Ka aza miandry ampitso ampitso
    sao tsy ho tratranao ilay ora farany.


Efa voafidy ianao ho olony : ho olony !
Nahoana indray no toa mihemotra
Tsy aleonao ve miankina amin-dRay.


Willy Rakotoarisoa


·