Miandry aho

Mage 4

Miandry aho


Namela soritra tato anaty
Ilay rangotry ny fitiavanao
Miraikitra tsy mety fafana
Vao maika mafana


Nandrava toy ny rivo-mahery
Ilay hasarotam-piaroko anao iny
Lasa ianao nanalavitra ahy
Nisafidy ny ho irery


Bridge:
Niodina miankavanana aho
Toa sambatra ery ireo mpifankatia
Niodina miankavia anie aho
Toa mangingina, manirery ny aty


Refrain:
Miandry anao aho satria tia
Ny alahelo omaly aleo ho rava
Ny fanantenako anie dia hiova
Ho fifaliana ireo tomany
Sasa-miandry anie ny aty
Rehefa vonona ianao tongava
Hitsena ilay fiovana hatrizay
Aza miondana irery ianao any


Nandrava toy ny tondra-drano
Ilay kasi-tanana nataoko iny
Lasa ianao nanalavitra ahy
Nisafidy ny ho irery


Bridge:
Niodina miankavanana aho
Toa sambatra ery ireo mpifankatia
Niodina miankavia
Velom-panantenana ho doria


Refrain (2 fois)


·