Miandrandra famonjena

Antokom-pihira Vetson'i Siona

Miandrandra famonjena


ref: tsy ho hainay takarina, eny sarotra fantarina,
ny lamina apetrakao eo @fiainanay.
fa dia mahagaga, toa mahatalanjona,
fa na ny omaly, anio ary ampitso,
dia ampisitrahanao anay tsy mendrika ny handray.


I.hifaly izahay, hanako ny hiranay,
mba ho fiderana anao, mpamonjy mahery
ataovy latsa-paka am-ponay, ho hain’ny firenen-drehetra,
fa ianao no mpanjaka tsy toha, miahy sy mitsimbina anay.


bridge1: tariho saina, fo sy fanahy ny vahoakanao,
izay manantena fandresena, matoky sy mitraka, miandrandra famonjena…


II.tsy mora ny manara-dia anao,
mihezaka mandeha @lala-marina,
fa mideza sy ety, malama sy mamingana,
manenjika anay ny ratsy, ka sahirana erì izahay.


bridge2: tsy ho kivy anefa fa manana anao, hanoro sy hiady ny adinay,
koa manantena fandresena, matoky sy mitraka, miandrandra famonjena…


© Vetson’i Siona 2020


·