MIAMBENA, MIVAVAHA

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

MIAMBENA, MIVAVAHA


Miambena, mahareta amin’ny vavaka
Ndao hivavaka (3)
Ny devoly fahavalo dia mikatsaka, ‘zay harapany
Koa mivavaha re hianao


Fa mandalo izao fiainan’izao sy ny filany
‘Ndao hiambina, ’ndao hivavaka
F’izay manao sitrapon’Andriamanitra
Dia ho sambatra, hiadana mandrakizay


‘Zay mahatoky ny Tompo hatramin’ny farany
Dia ho sambatra, ho finaritra
Fa handray ny satro-boninahitra, ho fiainanao
Ho fiainana mandrakizay


Mivavaha matokia f’Andriamanitra
Indro momba anao,
Izy momba anao, eny homba anao
Izy no ampinga fiadiana maharitra
Raiso ho anao, ho fiainana mandrakizay


·