Miakatr'iarivo
Tselonina
Miakatr’iarivo
Atoato ianao mamantatra,
Fa ery no Manjakamiadana,
Tàzana ny Rova, ambinkambin-drova,
Tonga letsy isika.
Jiro maro no mitambatra
ampian’ny arendrin’Andriamanitra
Tàzana ny Rova, ambinkambin-drova,
Tonga letsy isika.
Somary hingaho kely ny sezanao ry Madama
Latsaka atoato ilay paquet tsigara
Roraparakinao Raondriana
Mifiritika aty ariana.
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr’io Iarivo io (2)
Asio hirahira tsy hangingina
Vazo gasygasy ihany aloha ny antsika
Mitsofoka tetezana hira evanzelika
Mihazo lalan-tsara hira diabolika
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr’io Iarivo io (2)
Io ilay sarotra takonana
Ilay tilikambom-piangonana
Tàzana ny Rova, ambinkambin-drova,
Tonga letsy isika.
Iarivo mino an’Andriamanitra
Mitana ny fomban-drazana
Tàzana ny Rova, ambinkambin-drova,
Tonga letsy isika.
Manja ny sipa hiaraha-mahalala
Avy eny Manandriana, avy eny Ambohimalaza
Na ny volo ngita, na ny volo tsotra
Zaza an-tsahadita, Zanak’i Alasora
Manja an’izany e!
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr’io Iarivo io (2)
Zahay eto Iarivo
Tsy mba mialon-jafy
Eto ny vola hoanareo ry aba
Feno ny oron’asa, misy ny afa-kaba
Teto daholo ny olona no naka.
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr’io Iarivo io (2)
Hiona amin’azy, Hiona aminy any.
Tonga letsy isika, Tonga letsy isika
Mba jejojejo Ô
(Bis)
Tandremo ny entako mivily
Sac mangamanga ny ahy ry Mpamily.
Olo-marobe mifangaroaro
Tsy hay intsony ny mpanera sy ny dahalo
Mba jejojejo ô
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr’io Iarivo io (2)
Ny olona eto Iarivo tena olon-kendry
Mety hisy ihany aloha ny totakely
Tonga maraindraina mba miandrasa kely
Tokana ny aina ny entana sao very
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr’io Iarivo io (2)