miaka midina

Nono

miaka midina


Miaka-midina ny fiainana
Mihilangilana miodina
Nefa toa
Tsy mbola taitra foana ianao


Fa maty omaly ilay vendrana
Ilay adala tao an-tanàna
Nefa toa tsy misy dikany
Ho anao


Fa mora dia mora ny mialangalana
Tsy sarotra akory ny manafina
Andraikitr’iza ary izany
Hoy ianao


Solafaka ilay tovovavy
Afa-baraka ny mpianakavy
Nefa toa tsy mbola taitra foana ianao


Mangalatra ny sasantsasany
Io no ataony lahasany
Nefa toa
Tsy misy dikany ho anao


Fa mora dia mora ny mialangalana
Tsy sarotra akory ny manafina
Andraikitr’iza ary izany
Hoy ianao


·