Mi amore

Mr Sayda (Misié Sayda)

Mi amore


Na te hangina aza tsy hay tohaina
Fa ny ahy ny foko efa taralila
Nofinofy tsy tambo ho isaina
Tsy ho vitako intsony aloha ilay mandeha ila
Ny fiainako rehefa nidiranao
Milamina be fa tsy mivaralila
Nofenoinao fifaliana aho
Dia nofenoinao hirahira


Fa androany kosa aho tena mahatsapa
Sady te hiantsampy
Eny an-tratranao ka tsy hihafahafa
Hiteny aminao hoe
Fa androany kosa aho tena mahatsapa
Sady te hiantsampy
Eny an-tratranao fa tsy hihafahafa
O MI AMORE


Efa nofafaiko daholo ny lasako
Satria ianao iny ilay nandrasako
Ampitondraiko ny anarako
Hosoratako aminao ny tantarako
Vohay aho … Haody haody ô
Sokafy ny foko fa efa mihaodihaody ô
Tonga mandondòna anao hitondra LOVE ô
Raha toa manaiky ianao


Fa androany kosa aho tena mahatsapa
Sady te hiantsampy
Eny an-tratranao ka tsy hihafahafa
Hiteny aminao hoe
Fa androany kosa aho tena mahatsapa
Sady te hiantsampy
Eny an-tratranao fa tsy hihafahafa
O MI AMORE


Na te hangina aza tsy hay tohaina
Fa ny ahy ny foko efa taralila
Nofinofy tsy tambo ho isaina
Tsy ho vitako intsony aloha ilay mandeha ila
Ny fiainako rehefa nidiranao
Milamina be fa tsy mivaralila
Nofenoinao fifaliana aho
Dia nofenoinao hirahira


Fa androany kosa aho tena mahatsapa
Sady te hiantsampy
Eny an-tratranao ka tsy hihafahafa
Hiteny aminao hoe
Fa androany kosa aho tena mahatsapa
Sady te hiantsampy
Eny an-tratranao fa tsy hihafahafa
O MI AMORE


·