Mendrika Loatra

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Mendrika Loatra


Mendrika loatra raha
Atolotro ho Anao Jesosy ny foko
F’Ianao ilay Mpamonjy be Fitiavana
Natolotrao ny ainao
Noho ny amiko sy izao tontolo izao
Mendrika raha atolotro Anao ny foko


Hamafisinay….
Ny fonay Jesosy ô, ho Anao
Hamafisinay…..
Izahay tsy hiala Aminao
Maty Ianao nisolo ny helokay
Nentinao ny fahotanay
Resinao ny fahafatesana


Ts’isy izay izay tsy nihatra taminao ny fahoriana
Hirifirim-batanao, tonga rà
Niaretanao daholo izany noho ny fahotanay
Jesosy ô, tianao tokoa ‘zahay………


·