Mendrika hoderaina

Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)

Mendrika hoderaina


Dera sy ny laza ho Anao ry Jesoa
Fa nandao ny lanitra ary nanetry tena
Haja sy ny saotra no atolotray
Tonga nofo Ianao ho fitiavana anay


Be voninahitra anie Ianaro ry Tompo
Lanitra no fonenanao, izay mirenty sy tsara
Nefa dia naka ny endriky ny mpanompo
Mendrika hoderaina, mendrika hankalazaina
Fa be fitiavana sady mpamonjy, ny anaranao no hiraina


Tsaroanay anio ny andro izay niavianao
Midera Anao amin’ny fo madio ireto voavonjinao
Faly sy miravoravo ka mankalaza ny Avo
Satria Ianao ry Jesoa no mpamonjy
‘lay tonga tao an-tranon’omby


Tena maminay tokoa ry Jesoa
Ny fitiavana asehonao ho an’ny olon-drehetra
Ka hira ho Anao no atolotray
Ho fankalazana sy fisaorana Anao


·