MENDRIKA ANKALAZAINA
Groupe NAINA
MENDRIKA ANKALAZAINA
He faly izahay
Midera Anao ry Ray
Nomenao andro soa
Ka velona tokoa
Ny fahasoavanao
No nahatoy izao ahy
Misaotra eram-po
Ry Tomponay Tsitoha
Fa famonjena Ianao
Tsy misy tsy hainao hatao
Mahery ny Anaranao
Manaiky Anao ny ety
Hatrany an-danitra ary
Fa Ianao no Kristy
Fa Ianao no Tompo
Mpanjakan’ny mpanjaka
Ka mendrik’ho deraina
Mendrik’ankalazaina
Mendrika ankalazaina ny Tomponay