Mendrika

Tanora Masina Itaosy

Mendrika


Mendrika Ianao ry ilay be indrafo
Ilay Masina indrindra
Ilay nitantana anay
Tsy nanao kitoatoa
Fa tena mirindra
Kanefa inona no avalinay
Toa fahotana indray
Manosihosy ilay fitiavanao
Izao tontolo izao


Fiverenana :
Misaotra Anao Ray tsitoha
Tsy namela anay hamoy fo
Ireo zanakao izay nania
Notoloranao ilay fitia
Mandrakizay ny fitiavanao
Izao tontolo izao
Ka dera, laza ry Ray
No mendrika Anao


Anio izahay dia mifona Aminao
Fa nampalahelo
Mifona aho mitalaho
Ary miangavy izao
Mba tsy ho any amin’ny helo
Fa malahelo Ianao mahita anay
Mihosom-pahotana indray
Manaram-po tsy mahatsiaro tena
Na dia efa nomena


Fiverenana :
Misaotra Anao…


·