Mena Masoandro

Ma Trehina

Mena Masoandro


Nitselika anefa nahasambatra ahy
Ilay fidinako tany an-tanàna
Fotoana fohy no niarahana
Dia nahenika antsika sy anao


Raketiko an-kira tsy hoadinoko
Ilay isika roa teny a Mangoro
Nialokaloka teo ambody Voambia
Nifampiondakondana toa sambatra ery!


Ref: Malaina ery ny hifandao
Satry tsy ho faty masoandro
Irony vorona mody irony
No nampanjombona ny tavanao


Dorehitra mena masoandro
Ny ery andrefan’ny rano
Ny fanala koa efa mahangoly
Ka dia voatery ande hody amin’izay


Namindra tsy satry ny tongotro
Te hijanona saikatra ihany
Tsy maimbolomaso ianao tomany
Midongy mihanta eo antratrako eo


Namihina ahy ianao dia nanafatra
Malala o! Any aza maditra
Izaho koa namaly am-pitsikiana
Hoe matokia f’izaho efa an-dry


           A.C: Dimby Natrehina

·