MEDLEY 1

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

MEDLEY 1



  1. Efa atomotra ny andro farany
    Ka mba mibebaha
    Fa miseho avokoa ny ady etsy sy eroa
    Manerana ny tany
    Tanteraka zay voalazan’ny soratra Masina


Ka ny tsara azo atao
Miombom-bavaka izao
Ny eo akaikinao Jesosy o
Tsy misy mampanahy




  1. Andriamanitra o! Omeo ahy ny fo
    Fanahy vaovao
    Ka ny heriko rehetra entiko mba hanompoko anao
    Fantatro fa misy adidy masina izay napetrakao
    Indrindra fa ny fanasoavana ny tranon’Andriamanitra
    Tamin’ny heriko rehetra
    Tamin’ny heriko rehetra
    No namoriako izay hanaovana
    Ny tranon’Andriamanitra




  2. (Duo)…
    Aiza no làlana alehanao
    Anjaranao no misafidy izao
    ‘Lay lalam-be dia maro no mankao
    Kanefa helo no miandry azy ao.




  3. Faly, falifaly ny foko
    Faly, mankalaza ny Tompo
    Faly! Tena feno hafaliana
    Faly fa nandray fitahiana




Fa ny mahery efa nanao
Zavatra lehibe tamiko
Ary masina ny anarany
Eny masina ny anarany


·