Mbola tia
Lilie Feat Haja (Miara)
Mbola tia
Miandry anao aho ho tonga eto anilako
Voatery indray hibanjina ny lalanao, aah! ao!
Manahy ’nefa aho fa mety tsy ho avy ianao
Fa vao omaly isika nifamaly be.
Tantarao ahy izay mety ho nahazo anao
Dia mino aho fatsy ho tezitr’intsony ianao, aah! ao!
Ankehitriny nanenenako izay vitako
Ireo teny mafy tabataba nataoko anao.
Ref:
Haingàna ianao miandry anao foana aho aty izao
Tsy lolom-po, fa fitiavana no omeko anao, aah! ao!
Arahiko hira handrotsirotsy anao indray
Izay no hanambara fa mbola tiako foana ianao.
….
Ou!!…! ou!!…! (Choeurs)
Ref: …
Izay no hanambara fa mbola tiako foana ianao.
O!o!o! ou!!, mbola tiako foana ianao.