Mbola manina ve ?
Justin RAJORO
Mbola manina ve ?
Mbola manina ve no dia mametrapetraka
Voin-tenanareo hanimba ilay fitiavantsika
Ianao no adala Ramatoa fa miavon-tsahala
Na ts’isy todiny aza izao e ! andrasako ny rariny
Mbola manina ve no dia mametrapetraka
Voin-tenanareo hanimba ilay fitiavantsika
Ianao no adala Ramatoa fa miavon-tsahala
Na ts’isy todiny aza izao e ! andrasako ny rariny
Aza kivy na mba taitra, o ry tia fiavanana eto/ Samia ary masina an-taniny
Mba tsy hahatsapa ny mafaitra mbola hiandry rariny e/Ianao no tsy tia izahay koa mianjonanjona
Ny ratsy ataon’ny olon-tiana mampijohy ny ranomaso/Fitia tsy tanteraka ve Ramatoa
No sakanan’ny havana fa ny rariny andraso//No hanaovana an-dolom-po
Ny rariny andraso/Adalanao mihevitra izany
Raha ny hava-nitokiana o
No manjary be ankaso o
Aiza re ’ty fahoriana e
Ao ilay rariny andraso e
Fitia tsy andrin’olon-kafa
Dia andrasako ihany
Aoka izay aloha ny tafa e
Aoka koa ny tomany o