Mbola ity

kiady

Mbola ity


Izy ilay nahary no hisaorana
Nanome ireo fotoana fy tambarana sy nihaonana
Fiarahana , fifankatiavana tsy ravan’ny taona ny antsika
Ho irian’olona fa tsy haniry sy hitsiritra


Dia mbola ity aho, mbola io ianao
Hiaraka hiaina fahasambarana vaovao
Irariana hidongy toerana ny fifaliana maro
Amin’ny ho avy rehetra ,ny soa sy ny tsara no hifangaro


Mbola be no tiana hita sy hiainana i aminao
Toa fohy toa lava , to Fy ny fiainana anilanao
Raha taona no isaina,tsy azo isaina amin’ny rantsatanana
Fa vetivety, tsy hitahita satria niainana ampitiavana


Nisy ambony, nisy ambany
Fombany ihany io aky
Izay nirodana aoka ho any
Fa tsy hisy haharesy ny fitia


·