MBOLA HO TSARAINA
RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
MBOLA HO TSARAINA
- Malahelo mafy anie Jesôsy
Amin’izao toetra ratsy fanaonao izao
Atsaharo re fa efa ampy izay satria
Sao hanjary ho neninao!
REF:
Tsisy miafina Aminy, fantany avokoa
Ny toe-panahy sy ny ao anaty fo
‘Zay rehetra vitanao sy kasaina atao
Dia fantatr’i Jesoa Tomponao
Malahelo mafy Izy izao
- Tsy matahotra sy dia tena sahisahy
Amin-drendrarendra maro sy fakam-panahy
Ajanony re ‘zao filibana izao
Fa mbola ho tsaraina ianao!
REF:
Tsisy miafina Aminy, fantany avokoa
Ny toe-panahy sy ny ao anaty fo
‘Zay rehetra vitanao sy kasaina atao
Dia fantatr’i Jesoa Tomponao
Malahelo mafy Izy izao
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
SVM Kristy Fiainana Bemasoandro Itaosy