Mbola hiverina aho

Anjaka

Mbola hiverina aho


MBOLA HIVERINA AHO


Lazaiko anao androany, fa tsy sitrapoko
Fa lalan’ny fiainana anie izany, ka aza tomany
Ankehitriny moa , tsy maintsy mandeha aho
Fa noho ny fitiavako anao ihany anie
Ny anaovako izao


Mba hampisy fahasambarana


Isakin’ny mahita ny endrikao aho dia te hiteny,
Hoe tsisy ohatra anao , raha mbola ety an-tany
Nefa tsy afa-manohitra aho androany
Fa tsy maintsy mandeha,
Aza manahy , ny foko atokako anao , « ho mandrakizay »


Aza omena tsiny , fa lehilahy ny tena
Mety ho tratran’ireo fankam-panahy ihany,
Eny ho eny
Fa ireo nofin-tsika , hatramin’izay
Ho tohizana sy ho tanterahin-tsika ihany
Fa aza manahy
Mba hampisy fahasambarana


Ho mandrakizay ny fetra iaraha-tsika roa
Ka na ho faty aza isika ,mbola hiaraka ho doria


·